Isaia
Toko 20
- 1[Fanoharana ny amin’ny handravana an’i Etiopia sy Egypta] Tamin’ny taona nankanesan’i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’i Sargona, mpanjakan’i Asyria, izy ka namely an’i Asdoda ary nahafaka azy,
- 2tamin’izany andro izany no nampitondran’i Jehovah teny an’Isaia, zanak’i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
- 3Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan’Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin’i Egypta sy Etiopia,
- 4dia ho toy izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’i Egypta.
- 5Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely* noho ny amin’i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy]
- 6Ary amin’izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.