Isaia
Toko 34
- 1[Ny hampijaliana ny fahavalon’ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran’ny navotan’i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
- 2Fa Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana* ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
- 3Ary izay voavono amin’ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ny ràny.
- 4Izay rehetra eny amin’ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny aviavy.
- 5Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’i Edoma iny sy amin’ny firenena voatendriko haringana*, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
- 6Ny sabatr’i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin’ny matavy sy amin’ny ran’ny zanak’ondry sy ny osilahy ary amin’ny fonomboan’ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin’ny tany Edoma.
- 7Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ny vantotr’omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
- 8Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona.
- 9Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
- 10Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
- 11Fa ho zara-tanin’ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
- 12Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka*, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
- 13Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ny trano fiarovany; Ary ho fonenan’ny amboadia* sy fitoeran’ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
- 14Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ny kary*; ary ny osilahy** hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin’ny alina*** hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[*Na: jakala][**Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][***Heb. lilita]
- 15Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin’ny alokaloka any; Any koa no hiangonan’ny papango, samy eo amin’ny namany avy.
- 16Izahao ao amin’ny bokin’i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan’i Jehovah* no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]
- 17Ary Izy no efa tinendry anjara ho an’ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ireo tamin’ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ny taranaka fara-mandimby.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.