Isaia
Toko 22
- 1[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Jerosalema] Faminaniana ny amin’ny lohasahan’ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo*, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo**, [*Heb. anao][**Heb. ianao]
- 2Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ady.
- 3Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
- 4Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
- 5Fa ao amin’ny lohasahan’ny fahitana dia misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
- 6Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin’ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon’ampinga
- 7Izay tsara indrindra amin’ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
- 8Dia alana ny fisalobonan’i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin’izany andro izany.
- 9Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan’i Davida; Ary mamory ny rano avy amin’ny kamory ambany ianareo.
- 10Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
- 11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin’ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
- 12Ary amin’izany andro izany Jehovah, Tompon’ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
- 13Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman’osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
- 14Dia nambaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 15[Ny amin’ny nanonganana an’i Sebna sy ny nanendrena an’i Eliakima ho solony] Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Andeha mankao amin’ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin’i Sebna, lehiben’ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
- 16Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao* etỳ amin’ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao* etỳ amin’ny harambato? [Heb. ho azy]
- 17Indro, Jehovah hanipy mafy* anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
- 18Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin’ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin’ny tomponao.
- 19Ary horoahiko hiala amin’ny fitoeranao ianao sy haongako* hiala amin’ny raharahanao [Heb. haongany]
- 20Ary amin’izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia;
- 21Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin’ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’i Joda izy.
- 22Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin’ny tranon’i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
- 23Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ny mpianakavin-drainy.
- 24Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samy hafa rehetra.
- 25Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.