Isaia
Toko 52
- 1[Ny hanafahana an’i Jerosalema amin’ny fahandevozana sy ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
- 2Ahintsano ny vovoka hiala amin’ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
- 3Fa izao no lazain’i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
- 4Fa izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ny oloko tamin’ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
- 5Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
- 6Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’izany andro izany* dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho fantany amin’izany andro izany Aho]
- 7Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
- 8Injany ny feon’ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’i Jehovah ho any Ziona.
- 9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’i Jerosalema.
- 10Jehovah efa nampiseho* ny sandriny masina teo imason’ny firenena rehetra; ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka]
- 11Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’i Jehovah.
- 12Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
- 13[Ny amin’ny Mpanompon’i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan’ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy] Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina]
- 14Fa toy ny nigagan’ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona),
- 15Dia toy izany no hampihendratrendratany* ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.