Isaia
Toko 47
- 1[Ny handravana an’i Babylona] Mialà, ka mipetraha amin’ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
- 2Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
- 3Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona*.[Na: tsy hiera amin’olona; na: tsy hihaona amin’olona]
- 4Ny anaran’ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ny maro, Iray Masin’ny Isiraely.
- 5Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ny fanjakana intsony ianao.
- 6Tezitra tamin’ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
- 7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
- 8Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’anaka.
- 9Kanjo hanjo anao tampoka amin’ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
- 10Fa nitoky tamin’ny faharatsianao* ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]
- 11Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany*; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
- 12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
- 13Sasatra noho ny hamaroan’ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra* ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao**. [*Heb. mpizarazara] [*Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin’izay hanjo anao]
- 14Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
- 15Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.