Isaia
Toko 8
- 1[Ny amin’ny hahaterahan’ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen’i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon’ny tena Isiraely noho ny nahaterahan’ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an*’i Mahera-salala-hasi-baza**." [*Na: amin’][**Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
- 2Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia.
- 3Ary nankany amin’ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.[Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]
- 4Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asyria ny haren’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.
- 5Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
- 6Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’i Remalia,
- 7Dia, indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ny Ony* (Dia ny mpanjakan’i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]
- 8Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa* dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]
- 9Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
- 10Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra*. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]
- 11Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity aho:
- 12Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
- 13Jehovah, Tompon’ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
- 14Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ny firenena roa amin’ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ny mponina any Jerosalema.
- 15Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
- 16Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro.
- 17Ary hiandry an’i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
- 18Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ny Isiraely Avy amin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
- 19Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Fa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?
- 20Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina*.[Na: Eny, izany no holazain’ny olona izay tsy iposahan’ny fahazavan’ny maraina]
- 21Dia samy hivezivezy amin’ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona* ny mpanjakany sy Andriamaniny**, ary dia hiandrandra;[*Na: hanozona amin’ny anaran’][**Na: ny andriamaniny]
- 22Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ny aizim-pito izy.
- 23Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin’ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Dia Galilia, tanin’ny jentilisa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.