Isaia
Toko 14
- 1Fa Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’i Jakoba ho namany
- 2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ny tanin’i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
- 3[Hira fifaliana hataon’ny Isiraely noho ny nanetrena ny mpanjakan’i Babylona] Ary amin’ny andro hanomezan’i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
- 4dia hataonao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
- 5Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan’ny mpanapaka,
- 6Izay namely firenena tamin’ny fahatezerana, tamin’ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ny fahatezerana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra.
- 7Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
- 8Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
- 9Taitra ny fiainan-tsi-hita* any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy** rehetra tambonin’ny tany; Aingainy hiala amin’ny seza fiandrianana ny mpanjakan’ny firenena rehetra.[*Heb. Sheola][**Heb. osilahy]
- 10Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
- 11Efa navarina ho etỳ amin’ny fiainan-tsi-hita* ny tabihanao mbamin’ny feon’ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
- 12Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin’ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
- 13Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
- 14Hiakatra ho any ambonin’ny havoan’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
- 15Kanjo hampidinina hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
- 16Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
- 17Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
- 18Ny mpanjaka rehetra amin’ny firenena samy mandry amin’ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany* avy;[Heb. tranony]
- 19Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ny fatin’ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin’ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin’ny tongotra.
- 20Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
- 21Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran’izao tontolo izao.
- 22Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary hofoanako ny anaran’i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
- 23Ary hataoko fonenan’ny sokina sy fihandronan’ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 24Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
- 25Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin’ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ireo, ary ny entany ho afaka amin’ny sorony
- 26Izany no fikasana ny amin’ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin’ny firenena rehetra.
- 27Fa Jehovah, Tompon’ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
- 28[Faminaniana ny loza hanjo an’i Filistia] Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
- 29Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon*’ny bibilava no hihavian’ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’afo** manidina.[*Heb. fakan’][**Heb. sarafa]
- 30Ny faraidina indrindra* hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao**, eny, izay sisa aminao ho matiny.[*Heb. matoan’ny mahantra][**Heb. ny fakanao]
- 31Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ny laharany akory ny miaramilany.
- 32Ary inona moa no valiny ho entin’ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an’i Ziona, ary ao no hialofan’izay olony ory.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.