Isaia
Toko 38
- 1[Ny nahararian’i Hezekia, sy ny nanalavan’Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin’izany] Ary tamin’izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak’i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
- 2Dia nitodika nankany amin’ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’i Jehovah
- 3hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ny fahamarinana sy tamin’ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
- 4Dia tonga tamin’Isaia ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 5Mandehana, ka lazao amin’i Hezekia hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao,
- 6sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
- 7Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
- 8Indro, hampiverina ny aloka hàdiny* folo Aho araka ny nampidinan’ny masoandro azy teo amin’ny dialin*’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny* folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
- 9Ny teny nosoratan’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ny aretiny:
- 10Hoy izaho: Amin’izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita*; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
- 11Hoy izaho: Tsy mba hahita an’i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an’i Jehovah ao amin’ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ny mponina any amin’ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]
- 12Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain’ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
- 13Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain’ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
- 14Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
- 15Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin’ny taonako sisa rehetra noho* ny fangidian’ny aiko. [Na: rehefa afaka]
- 16Tompo ô, izany no iveloman’ny olona, ary amin’izany tokoa no iainan’ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
- 17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
- 18Fa ny fiainan-tsi-hita* tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
- 19Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
- 20Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’i Jehovah izahay Amin’ny andro rehetra iainanay.
- 21Ary hoy Isaia: Makà ampempan’aviavy, ary apetaho amin’ny vay izany, mba ho sitrana izy.
- 22Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon’i Jehovah aho?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.