Isaia
Toko 35
- 1Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
- 2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr’i Libanona dia homena azy mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy SarĂ´na, dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.
- 3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
- 4Lazao amin’izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
- 5Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina.
- 6Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina.
- 7Ny alonalona mitarehin-drano* dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia** dia haniry volotara sy zozoro.[*ny miraja][**Na: jakala]
- 8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy* ka izay mandeha amin’ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an’ireo izy]
- 9Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.
- 10Eny, ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.