Isaia
Toko 31
- 1[Ny hampijaliana ny Isiraely noho ny niankinany tamin’i Egypta sy ny hiarovan’Andriamanitra izay mibebaka, ary ny hanendreny mpanjaka izay hitondra azy amin’ny fahamarinana] Lozan’izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ny Isiraely, na mitady an’i Jehovah.
- 2Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
- 3Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
- 4Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ny liona sy ny liona tanora eo amin’ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’i Jehovah, Tompon’ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra* Ziona sy ny havoany.[Na: hamely ny tendrombohitra]
- 5Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’i Jehovah, tompon’ny maro, an’i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka. [Heb. handalo; izahao Eks. xii.13]
- 6Koa miverena ho amin’izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’Isiraely รด.
- 7Fa amin’izany andro izany dia harian’ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny* sy ny andriamani-bolamenany*, izay fahotana nataon’ny tananareo. [Heb. andriamani-tsi-izy]
- 8Ary ny Asyriana ho lavon’ny sabatra izay tsy mba an’olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
- 9Ary ny mpanjakany* ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema. [Na: harambatony]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.