Isaia
Toko 21
- 1[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Babylona] Faminaniana ny amin’ny loza hanjo ny Efitra Ranobe*. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
- 2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
- 3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
- 4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
- 5Velarina ny latabatra, miambina* ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
- 6Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
- 7Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
- 8Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina;
- 9Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin*’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
- 10Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô*! Izay efa reko tamin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
- 11[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Edoma] Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Edoma*. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
- 12Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena*. [Na: avia indray]
- 13[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Arabia] Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Arabia. Any an’ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ny Dedanita.
- 14Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
- 15Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
- 16Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Ato anatin’ny herintaona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara;
- 17Ary ny tsipìka sisa izay; an’ny lehilahy mahery, taranak’i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.