Isaia
Toko 59
- 1[Ny amin’ny ota, izay efitra fisarahana, sy ny fandravana azy] Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
- 2Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
- 3Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin’ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
- 4Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
- 5Mikotrika ny atodin’ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin’ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
- 6Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
- 7Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany.
- 8Ny lalan’ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin’ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
- 9Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin’ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
- 10Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary eo amin’ny matanjaka* dia tahaka ny maty isika. [Na: any an-efitra]
- 11Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
- 12Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
- 13Dia ny miodina sy ny mandà an’i Jehovah, ary ny miala amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona* sy mamoaka teny lainga avy ao am-po. [Heb. torontoronina]
- 14Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
- 15Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom’ny sasany. Ary hitan’i Jehovah ny tsi-fisian’ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
- 16Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
- 17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
- 18Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony, famaliana ho an’ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
- 19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin’ny Fanahin’i Jehovah*.[Na: Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny Fanahin’i Jehovah hanangana faneva hisakana azy]
- 20Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin’ny Jakoba izay miala amin’ny fahadisoana, hoy Jehovah.
- 21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.