Isaia
Toko 19
- 1[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany*, ary ny fon’i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
- 2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ny rahalahiny avy sy amin’ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.
- 3Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ny andriamani-tsi-izy sy amin’ny mpibitsibitsika amin’ny odiny izy sy amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ny mpanao sikidy.
- 4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 5Ny rano amin’ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
- 6Ho maimbo ny sampantsampan’ny ony; Ary ny lahin-dranon’i Egypta* hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
- 7Ny tany eny amoron’i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron’i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
- 8Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka* harato amin’ny rano.[Heb; mpamelatra]
- 9Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ny fihogo sy izay manenona hariry.
- 10Ny andrin*’ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan’]
- 11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’izay hendry indrindra amin’ny mpanolotsain’i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’i Farao hoe: Zanak’olon-kendry aho sady taranak’ireo mpanjaka fahagola?
- 12Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain’i Jehovah, Tompon’ny maro, hatao amin’i Egypta.
- 13Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa*; Ary efa nampivembena an’i Egypta ireo fehizoron’ny fireneny. [Heb. Nofa]
- 14Jehovah efa nampidina* fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
- 15Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia* na ny zozoro. [palma]
- 16Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
- 17Ary ny tanin’ny Joda dia ho fahatahoran’i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’i Jehovah, Tompon’ny maro, izay kasainy ny amin’ny hamelezana azy.
- 18Amin’izany andro izany dia hisy tanana dimy amin’ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa*. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan’ny masoandro]
- 19Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’i Jehovah.
- 20Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, ao amin’ny tany Egypta izany; Fa hitaraina* amin’i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
- 21Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’i Jehovah amin’izany andro izany; Dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-drà sy amin’ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
- 22Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
- 23Amin’izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka*. [Heb. hiara-manompo]
- 24Amin’izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ny tany;
- 25Fa hotahin’i Jehovah, Tompon’ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ny tanako, ary Isiraely lovako.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.