Isaia
Toko 39
- 1[Ny nandraisan’i Hezekia ny iraky ny mpanjakan’i Babylona, sy ny teny nolazain’Isaia noho izany] Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodaka-baladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
- 2Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany rehetra.
- 3Dia nankany amin’i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
- 4Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ny firaketako rehetra.
- 5Ary hoy Isaia tamin’i Hezekia: Henoy ny tenin’i Jehovah, Tompon’ny maro:
- 6Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
- 7Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka* any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona ireo. [Heb. ionoka]
- 8Dia hoy Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ny androko handry fahizay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.