Isaia
Toko 57
- 1Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo*. [Na: noho ny ratsy]
- 2Miditra amin’ny fiadanana izy, mandry amin’ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ny hitsiny.
- 3Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’olona sy ny mpijangajanga.
- 4Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga*? [Na: zanaky ny fijangajangana]
- 5Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ny hazo terebinta* eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin’ny sampy]
- 6Ao amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’izany va Aho?
- 7Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
- 8Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’izay hataon’ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao*.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]
- 9Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra* diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina** hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita*** ianao. [*Na: nihosotra][**Na: nietry][***Heb. Sheola]
- 10Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
- 11Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
- 12Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
- 13Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
- 14Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko.
- 15Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo;
- 16Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina]
- 17Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.
- 18Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy,
- 19Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
- 20Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
- 21Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.