Isaia
Toko 2
- 1[Ny voninahitra marina voatendry ho an’ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’ny Joda sy Jerosalema.
- 2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
- 3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, Ka handehanantsika amin’ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.
- 4Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
- 5Ry taranak’i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.
- 6Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be* zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin’ny]
- 7Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
- 8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan’ny asan’ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon’ny rantsan-tanany;
- 9Koa ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
- 10Midira ao amin’ny vatolampy, Ary miere ao amin’ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
- 11Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
- 12Fa misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
- 13Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
- 14Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
- 15Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
- 16Sy ny sambon’i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
- 17Ary ny fireharehan’ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan’ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
- 18Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
- 19Ary hiditra ao amin’ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
- 20Amin’izany andro izany dia harian’ny olona Ho an’ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
- 21Mba hidirany eo amin’ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin’i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
- 22Mitsahara, fa aza mitoky amin’ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.