Isaia
Toko 17
- 1[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
- 2Efa lao ny tanànan’i Aroera ka ho an’ny andian’ny ondry aman’osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
- 3Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin’i Syria dia hitovy voninahitra amin’ny Zanak’Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 4Ary amin’izany andro izany dia hihena ny voninahitr’i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
- 5Ary ho tahaka ny fanangon’ny olona ny vary an-tahony amin’ny fararano izany, ka tangosan’ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon’ny olona salohim-bary eny amin’ny lohosahan’ny Refaita;
- 6Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ny rantsan’ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
- 7Amin’izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ny Isiraely,
- 8Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha*, na ny tsangankazo* ho an’ny masoandro.[*Anaran’andriamani-tsi-izy, na ny sariny][**Na: tsangam-bato]
- 9Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
- 10Fa nanadino an’Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin’ny firenena hafa no nambolenao teo;
- 11Tamin’ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin’ny andro fangirifiriana* sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin’ny andro hahazoana azy]
- 12[Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon’ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon’ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon’ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon’ny rano manonja ny firohondrohony!
- 13Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon’ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin’ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio.
- 14Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’izay mamabo antsika sy tambin’izay mandroba antsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.