Isaia
Toko 49
- 1[Ny amin’ny Mpanompon’i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ineny no efa nankalazainy ny anarako.
- 2Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
- 3Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
- 4Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
- 5Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
- 6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.
- 7Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’Ilay hamavoin’ny olona sy halan’ny firenena ka tonga mpanompon’ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
- 8Izao no lazain’i Jehovah: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
- 9ka hanao amin’ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; .
- 10Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
- 11Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
- 12Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ny tany Sinima ireto.
- 13Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ny olony mahantra.
- 14Fa hoy Ziona’Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
- 15Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
- 16Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
- 17Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
- 18Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ny ampakarina.
- 19Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’izany noho ny habetsahan’ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
- 20Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
- 21Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
- 22Izao no lazain’i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
- 23Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
- 24Azo alaina eny amin’ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
- 25Nefa izao no lazain’i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
- 26Sady hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ny ran’ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.