Isaia
Toko 32
- 1Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
- 2Ary hisy lehilahy* ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana. [Na: Ary samy]
- 3Ary tsy hikimpy ny mason’izay mahita, ary ny sofin’izay mandre dia hihaino.
- 4Ny fon’izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.
- 5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be*. [Heb. mpanankarena]
- 6Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy* sy hitenenany hevi-diso ny amin’i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan’ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ny mangetaheta rano hosotroina. [Na: ratsy]
- 7Ary ratsy ny hafetsen*’ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo; [Heb. fiasan’]
- 8Fa ny mitoetr’andriana kosa dia mamoron-tsaina araka izay mahamendrika andriana, ary izay mahamendrika andriana no ifikirany.
- 9[Anatra mafy tamin’ny vehivavy tao Jerosalema] Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; Ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko.
- 10Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra ianareo, ry vehivavy matokitoky foana; Fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo
- 11Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana; Endaho ny akanjonao, ka mitanjaha, ary misikìna lamba fisaonana.
- 12Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.
- 13Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza;
- 14Fa ho foana ny lapan’ny mpanjaka; Hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela* sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ny ondry aman’osy, [Na: Ny havoana]
- 15Mandra-pandatsaka ny fanahy avy amin’ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala.
- 16Ary hitoetra any an-efitra ny rariny, Ary ny fahamarinana honina ao amin’ny saha mahavokatra.
- 17Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
- 18Ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po;
- 19Nefa hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary halamaka dia halamaka ny tanàna.
- 20Sambatra izay mamafy eny amoron’ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.