Isaia
Toko 12
- 1Ary hiteny ianao amin’izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah รด; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia* afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao. [Na: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa]
- 2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
- 3Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena.
- 4Ary hiteny ianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
- 5Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.
- 6Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ny Isiraely.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.