Isaia
Toko 64
- 1Dia tahaka ny fandevon’ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
- 2Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro* teo anoloanao ny tendrombohitra.
- 3Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ny olona, na nohenoiny, Na hitan’ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ny miandry Azy afa-tsy Hianao. [Na: niempo]
- 4Mitsena* izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka** izahay; Hatramin’ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? [*Na: Miantra][**Na: ary efa nanota]
- 5Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
- 6Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
- 7Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ny tananao izahay rehetra.
- 8Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masina Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
- 9Tonga efitra ireo tanànanao masina, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
- 10Ny tranonay masina sady mendrika, Izay nideran’ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
- 11Ary mbola mahatsindry fo amin’izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.