Isaia
Toko 26
- 1Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren’i Jehovah ho manda sy fiarovana.
- 2Vohay ny vavahady, mba hidiran’ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
- 3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
- 4Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
- 5Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ny tany ka :azerany ho amin’ny vovoka.
- 6Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.
- 7Voaravona ny lalan’ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra* ny alehan’ny marina.[Na: Hianao, Izay mahitsy, no manamarina]
- 8Koa amin’ny lalan’ny fitsaranao, Jehovah ô, no iandrasanay Anao, ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao no irin’ny fanahinay.
- 9Amin’ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
- 10Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’i Jehovah.
- 11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ny olonao*, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. [Na: Hijery ihany anefa izy ka ho menatra noho ny fialonany ny olonao]
- 12Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
- 13Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.
- 14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
- 15Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany.
- 16Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
- 17Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
- 18Efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’izao tontolo izao.
- 19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana*, ary ny tany hiteraka ny maty**. [*Na: ando amin’ny anana][**Heb. ny matoatoa]
- 20Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
- 21Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.