Isaia
Toko 3
- 1Fa, indro, Jehovah, Tompon’ny maro, Manaisotra amin’i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’aina,
- 2Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
- 3Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
- 4Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
- 5Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ny manan-daza.
- 6Raha misy olona angatahin*’ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon’]
- 7Dia namaly izy amin’izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
- 8Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’i Jehovah Mba hihaika ny mason’ny voninahiny.
- 9Ny fisehon’ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.
- 10Lazaonareo ny amin’ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
- 11Lozan’ny ratsy fanahy! hiharan’ny ratsy izy, Satria ny valin’ny nataon’ny tànany ihany no hanody azy.
- 12Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
- 13Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
- 14Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben’ny olony amin’ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan’ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
- 15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan’ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 16Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin’i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
- 17Noho izany dia hataon’ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan’ny zanakavavin’i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
- 18Amin’izany andro izany dia hesorin’i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha*, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
- 19Na ny kavina voavola, na ny rojo*, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
- 20Na ny satroka*, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
- 21Na ny peratra, na ny kavin’orona,
- 22Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
- 23Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana*, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
- 24Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana*; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
- 25Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an’ady;
- 26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.