Isaia
Toko 23
- 1[Faminaniana ny amin’loza hanjo an’i Tyro] Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
- 2Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin’ny ranomasina, no efa nampanan-karena* anao.[Heb. nameno]
- 3Teny amin’ny rano be ny varin’i Sihora, dia ny vokatr’i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ny firenena izy.
- 4Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
- 5Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tyro.
- 6Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
- 7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo*, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin’ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
- 8Iza no nikasa izany hamelezana an’i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ny tany ny mpivarony.
- 9Jehovah, Tompon’ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
- 10Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an’i Neily; Fa tsy misy fifehezana* intsony.[Heb. fehin-kibo]
- 11Ny tànan’i Jehovah nahifiny tambonin’ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
- 12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
- 13Indro ny tanin’ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ny Asyriana fonenan’ny bibi-dia any an-efitra*; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin’ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an’ny mponina any an-efitra]
- 14Midradradradrà ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
- 15Ary amin’izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron’ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ilay tonon-kalon’ny janga manao hoe:
- 16"Makà lokanga, ka miveziveze eran’ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
- 17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’i Tyro, ka dia hiverina amin’ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
- 18Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika*. [Na: mateza]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.