Isaia
Toko 50
- 1[Ny amin’ny nisaorana ny Isiraely, sy ny amin’ny Mpanompon’i Jehovah] Izao no lazain’i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
- 2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin’ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian’ny rano sady matin-ketaheta.
- 3Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
- 4Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay*, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay* [Heb.efa nampianarina]
- 5Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
- 6Ny lamosiko natolotro ho amin’ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora.
- 7Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
- 8Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
- 9Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin’ny kalalao izy.
- 10Iza aminareo no matahotra an’i Jehovah ka mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina ka tsy manana fahazavana*, aoka izy hatoky ny anaran’i Jehovah sy hiankina amin’Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin’ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]
- 11He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo, mandehana amin’ny lelafonareo sy amin’ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin’ny tanako: Handry amin’ny fahoriana ianareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.