Isaia
Toko 16
- 1Atero ny zanak’ondrin’ny mpanapaka ny tany, dia miala an’i Sela ka mamaky ny efitra hatramin’ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy.
- 2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’i Moaba ao amin’ny fitàna any Arnona.
- 3Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin’ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
- 4Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren’i Moaba ianao*, mba tsy ho azon’ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin’ny tany intsony ny mpanosihosy.[Na: Aoka ho fereny ianao ry Moaba]
- 5Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ny fahamarinana ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
- 6Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.
- 7Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok*’i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.[Na: faharavany]
- 8Fa malazo avokoa ny sahan’i Hesbona sy ny voalobok’i Sibma, norantsanan’ny andrian’ny firenena ny sakeliny*, tonga hatrany Jazera sy nisandrahaka tany an-efitra izy, ny sampany nandadilady ka tafita ny ranomasina. [Na: Dia ireo izay nankaleo ny andrianan’ny firenena ny sakeliny]
- 9Koa izany no hitomaniako ny voalobok’i Sibma, toy ny fitomanian*’i Jazera, handena anao amin’ny ranomasoko aho, ry Hesbona sy Elale; fa mihatra amin’ny vokatrao lohataona sy ny fararanonao ny fanakorana.[Na: fitomaniana an’i]
- 10Ny hafaliana sy ny haravoravoana efa nesorina tamin’ny saha mahavokatra, ka tsy hisy hoby na horakoraka ao amin’ny tanim-boaloboka; Ny mpanosihosy tsy hanosihosy divay intsony ao amin’ny famiazana; Efa natsahatro ny fihobiana amin’ny fararano.
- 11Ary noho izany ny tsinaiko dia mitaraina manao feon-dokanga noho ny amin’i Moaba, ary ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-haresa.
- 12Ary rehefa miseho Moaba ka sasatra ao amin’ny fitoerana avo. Ary mankao amin’ny fitoerany masina mba hivavaka, dia tsy hahazo na inona na inona izy.
- 13Izany no tenin’i Jehovah nataony fahiny ny amin’i Moaba.
- 14Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ny telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany*; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.[Na: ny hareny]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.