Isaia
Toko 15
- 1[Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba] Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba. Fa tamin’ny indray alina no nandravana an’i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ny indray alina no nandravana an’i Kira-moaba, ka fongotra izy;
- 2Miakatra ho ao amin’ny tempoly* sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]
- 3Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
- 4Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan*’i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
- 5Ny foko mitaraina noho ny amin’i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara* sy Egleta-selisia*; fa miakatra mitomany ao amin’ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [*Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][**Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]
- 6Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
- 7Ary amin’izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan’ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
- 8Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
- 9Fa ny ranon’i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ny tany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.