Isaia
Toko 60
- 1[Ny ho voninahitr’i Jerosalema amin’ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.
- 2Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
- 3Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao.
- 4Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
- 5Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.
- 6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
- 7Ny ondry aman’osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin’ny fankasitrahana ho eo ambonin’ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitro.
- 8Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?
- 9Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
- 10Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
- 11Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
- 12Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
- 13Ny voninahitr’i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
- 14Ny zanak’izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely.
- 15Ho solon’ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin’ny taranaka fara mandimby.
- 16Ary hinono amin’ny jentilisa ianao sady hinono amin’ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.
- 17Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao*.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
- 18Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
- 19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
- 20Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
- 21Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ny sahako. Asan’ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
- 22Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.