Genesisy
Toko 5
- 1[Ny taranak’i Adama tamin’i Seta ka hatramin’i Noa] Ity no boky milaza ny taranak’i Adama: Tamin’ny andro namoronan’Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’Andriamanitra no nanaovany azy;
- 2lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ny andro namoronany azy.
- 3Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan’i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta.
- 4Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 5Ary ny andro rehetra niainan’i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
- 6Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan’i Seta, dia niteraka an’i Enosy izy.
- 7Ary ny andro niainan’i Seta taorian’ny niterahany an’i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 8Ary ny andro rehetra niainan’i Seta dia roa ambin’ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy;
- 9Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan’i Enosy, dia niteraka an’i Kenana izy.
- 10Ary ny andro niainan’i Enosy taorian’ny niterahany an’i Kenana dia dimy ambin’ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy;
- 11Ary ny andro rehetra niainan’i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy.
- 12Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’i Kenana, dia niteraka an’i Mahalalila izy.
- 13Ary ny andro niainan’i Kenana taorian’ny niterahany an’i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 14Ary ny andro rehetra niainan’i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
- 15Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’i Mahalalila, dia niteraka an’i Jareda izy.
- 16Ary ny andro niainan’i Mahalalila taorian’ny niterahany an’i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 17Ary ny andro rehetra niainan’i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.
- 18Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan’i Jareda dia niteraka an’1 Enoka izy.
- 19Ary ny andro niainan’i Jareda taorian’ny niterahany niterahany an’i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 20Ary ny andro rehetra niainan’i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
- 21Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’i Enoka, dia niteraka an’i Metosela izy.
- 22Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ny niterahany an’i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 23Ary ny andro rehetra niainan’i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona.
- 24Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra.
- 25Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’i Metosela, dia niteraka an’i Lameka izy.
- 26Ary ny andro niainan’i Metosela taorian’ny niterahany an’i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 27Ary ny andro rehetra niainan’i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
- 28Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan’i Lameka, dia niteraka zazalahy izy;
- 29ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin’ny asantsika sy ny fisasaran’ny tanantsika noho ny tany izay voaozon’i Jehovah.
- 30Ary ny andro niainan’i Lameka taorian’ny niterahany an’i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 31Ary ny andro rehetra niainan’i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.
- 32Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an’i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.