Genesisy
Toko 13
- 1[Ny nisarahan’i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin’ny tany atsimo.
- 2Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman’ondry sy volafotsy ary volamena.
- 3Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin’ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan’ny lainy tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy Ay,
- 4dia teo amin’ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’i Jehovah teo Abrama.
- 5Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin’i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
- 6Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
- 7Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
- 8Ary hoy Abrama tamin’i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
- 9Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
- 10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan’ny nandravan’i Jehovah an’i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan’i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
- 11Dia nofidin’i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
- 12Ary Abrama nonina tao amin’ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ny tany amoron’i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
- 13Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah.
- 14Ary Jehovah niteny tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin’ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
- 15fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
- 16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
- 17Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin’ny lavany sy any amin’ny sakany; fa homeko anao izy.
- 18Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan’i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an’i Jehovah izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.