Genesisy
Toko 14
- 1[Ny namaboana an’i Lota sy ny namonjen’i Abrama azy, ary ny nitsenan’i Melkizedeka an’i Abrama] Ary tamin’ny andron’i Amrafela. mpanjakan’i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan’i Elama. ary Tidala. mpanjakan’ny Goima,
- 2dia nandeha izy ireo ka nanafika an’i Bera, mpanjakan’i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan’i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan’i Adma, sy Semebera, mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela (dia Zoara izany).
- 3Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
- 4Fa efa nanompo an’i Kedorlaomera roa ambin’ny folo taona ireo, fa tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo kosa dia niodina izy.
- 5Ary tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
- 6ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan’ny efitra.
- 7Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
- 8Dia nivoaka ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora sy ny mpanjakan’i Adma sy ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ireo teo an-dohasahan’i Sidima,
- 9dia tamin’Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy Tidala, mpanjakan’ny Goima sy Amrafela, mpanjakan’i Sinara ary Arioka, mpanjakan’i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin’ny mpanjaka dimy.
- 10Ary ny lohasahan’i Sidima, dia be lavak’asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
- 11Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.
- 12Ary namabo ny zana-drahalahin’i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin’ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
- 13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin’i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan’i Mamre Amorita, rahalahin’i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin’i Abrama.
- 14Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin’ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
- 15Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’i Damaskosy.
- 16Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ny vehivavy sy ny vahoaka.
- 17Dia nivoaka ny mpanjakan’1 Sodoma hitsena an’i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan’ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
- 18Ary Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.
- 19Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
- 20Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
- 21Ary hoy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
- 22Fa hoy Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
- 23fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an’i Abrama),
- 24afa-tsy izay efa nohanin’ny zatovo sy ny anjaran’ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin’ireo ny anjarany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.