Genesisy
Toko 2
- 1Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
- 2Ary tamin’ny andro fahafito dia vitan’Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito Izy tamin’ny asany rehetra izay efa nataony.
- 3Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy.
- 4[Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny namoronana azy, dia tamin’ny nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
- 5Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
- 6nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra.
- 7Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
- 8Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
- 9Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
- 10Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
- 11Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
- 12ary tsara ny volamena amin’izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
- 13Ary ny anaran’ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
- 14Ary ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
- 15Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
- 16Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany;
- 17fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
- 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
- 19Ary tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’aina rehetra, dia izany no anarany.
- 20Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
- 21Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
- 22Ary ny taolan-tehezana izay nalain’i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
- 23Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
- 24Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
- 25Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.