Genesisy
Toko 28
- 1Ary Isaka nampaka an’i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita ianao.
- 2Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ny tranon’i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao.
- 3Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
- 4ary homeny anao anie ny fitahiana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.
- 5Ary Isaka nampandeha an’i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’i Jakoba sy Esao.
- 6Ary nony hitan’i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita ianao;
- 7koa Jakoba efa nanaraka ny tenin’ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
- 8ary hitan’i Esao fa efa ratsy teo imason’Isaka rainy ny zanakavavin’ny Kananita:
- 9dia lasa Esao nankany amin’Isimaela ka naka an’i Mahalota, zanakavavin’Isimaela, zanak’i Abrahama, sady anabavin’i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin’ny vady izay nananany.
- 10[Ny nisehoan’Andriamanitra tamin’i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
- 11Ary tonga teo amin’ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin’izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
- 12Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ny tany, ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
- 13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
- 14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
- 15Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
- 16Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
- 17Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
- 18Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
- 19Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna tany aloha.
- 20Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
- 21ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,
- 22ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.