Genesisy
Toko 3
- 1[Ny nanotan’i Adama sy Eva, sy izay nataon’Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ny saha?
- 2Fa hoy ravehivavy tamin’ny menarana: Ny voan’ny hazo eo amin’ny saha dia azonay ihinanana ihany;
- 3fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha kosa no efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
- 4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
- 5fa fantatr’Andriamanitra fa na amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
- 6Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
- 7Dia nahiratra ny mason’izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
- 8Ary nandre an’i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ny saha.
- 9Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
- 10Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
- 11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
- 12Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
- 13Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
- 14Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin’ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin’ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
- 15Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
- 16Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan’anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran’ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
- 17Ary hoy koa Izy tamin’i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao.
- 18Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
- 19Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao.
- 20Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
- 21Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
- 22Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
- 23ka dia nesorin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
- 24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.