Genesisy
Toko 45
- 1Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa, raha nanao izay hahafantaran’ny rahalahiny azy izy.
- 2Dia nitomany mafy izy, ka ren’ny Egyptiana, ary ren’ny tao an-tranon’i Farao koa.
- 3Ary hoy Josefa tamin’ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
- 4Ary hoy Josefa tamin’ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
- 5Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
- 6Fa roa taona izao no efa nisian’ny mosary teto amin’ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
- 7Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany, fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.
- 8Ary amin’izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain’i Farao, sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
- 9Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin’ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Josefa zanakao: Efa nataon’Andriamanitra ho tompon’i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
- 10dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman’osinao sy ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.
- 11Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
- 12Ary, indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
- 13Dia hambaranareo amin’ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
- 14Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin’ny vozony.
- 15Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
- 16Ary re tao an-tranon’i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin’i Josefa; dia sitrak’i Farao sy ny mpanompony izany.
- 17Ary hoy Farao tamin’i Josefa: Lazao amin’ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin’ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ny tany Kanana;
- 18ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany ianareo.
- 19Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin’ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
- 20Aza malahelo ny amin’ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin’ny tany Egypta rehetra.
- 21Ary nataon’ny zanak’Isiraely izany, ka dia nomen’i Josefa sariety izy, araka ny tenin’i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
- 22Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
- 23Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an’ny rainy ho entiny eny an-dalana.
- 24Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
- 25Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin’i Jakoba rainy tany amin’ny tany Kanana.
- 26Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon’i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
- 27Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain’i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain’i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin’i Jakoba rainy
- 28Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.