Genesisy
Toko 38
- 1[Ny fanambadian’i Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin’i Tamara] Ary tamin’izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
- 2Ary teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
- 3Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
- 4Dia nanan’anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
- 5Dia nanan’anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.
- 6Ary Joda naka vady ho an’i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
- 7Fa ratsy fanahy teo imason’1 Jehovah Era, lahimatoan’i Joda; dia novonoin’i Jehovah izy.
- 8Ary hoy Joda tamin’i Onana: Vadio ny vadin’ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
- 9Ary fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ny rahalahiny.
- 10Ary ratsy teo imason’i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
- 11Ary hoy Joda tamin’i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
- 12Ary rehefa ela, dia maty ny vadin’i Joda, dia ilay zanakavavin’i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon’i Joda, dia niakatra tany amin’ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
- 13Dia nisy nanambara tamin’i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
- 14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’i Enaima, izay eo amin’ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’i Joda ho vadin’i Sela izy.
- 15Ary hitan’i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
- 16Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
- 17Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’osy avy amin’ny ondry aman’osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
- 18Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan’anaka taminy ravehivavy.
- 19Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ny mpitondratena indray.
- 20Dia nampitondrain’i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
- 21Dia nanontany ny olona teo amin’ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
- 22Dia niverina tany amin’i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain’ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
- 23Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
- 24Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin’i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan’anaka tamin’ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
- 25Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
- 26Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
- 27Ary tamin’ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
- 28Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan’ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin’ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
- 29Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
- 30Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin’ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.