Genesisy
Toko 49
- 1[Ny tso-dranon’Isiraely nanambarany izay ho toetry ny zanany mirahalahy avy] Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
- 2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’i Jakoba, eny, mihainoa an’Isiraely rainareo:
- 3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
- 4Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin’ny fandrian’ny rainao ianao, tamin’izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
- 5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
- 6Aza mankeo amin’izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin’ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
- 7Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’Isiraely.
- 8Ry JODA, hoderain’ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ny vozon’ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
- 9Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
- 10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
- 11Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin’ny divay izy, ary ny akanjony tamin’ny ram-boaloboka.
- 12Mangamanga ny masony azon’ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ny ronono.
- 13ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin’i Sidona.
- 14ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan’ny vala;
- 15Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
- 16DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin’ny firenen’ny Isiraely.
- 17Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin’ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
- 18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
- 19GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
- 20ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian’ny hanim-pin’andriana.
- 21NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
- 22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
- 23Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
- 24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin’ny tànan’Ilay Maherin’i Jakoba, dia avy ao amin’ny Mpiandry, Izay Vatolampin’ny Isiraely,
- 25Avy amin’ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin’ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.
- 26Ny tso-dranon’ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny.
- 27BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
- 28Ireo rehetra ireo no firenen’ny Isiraely roa ambin’ny folo; ary izany no nolazain’ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
- 29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin’ny razako; aleveno ao amin’ny razako aho, dia ao anatin’ny zohy izay any amin’ny sahan’i Efrona Hetita,
- 30ao anatin’ny zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
- 31Tao no nandevenany an’i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an’Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an’i Lea,
- 32ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin’ny taranak’i Heta.
- 33[Ny nahafatesan’i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan’i Josefa] Ary rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin’ny razany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.