Genesisy
Toko 17
- 1[Ny nanovan’Andriamanitra ny anaran’i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin’ny hahaterahan’Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
- 2Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
- 3Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
- 4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain’ny firenena maro ianao.
- 5Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain’ny firenena maro ianao.
- 6Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
- 7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
- 8Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
- 9Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby.
- 10Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
- 11Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
- 12Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao.
- 13Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin’ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
- 14Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
- 15Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
- 16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.
- 17Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
- 18Ary hoy Abrahama tamin’Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
- 19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an’ny taranany mandimby azy.
- 20Ary ny amin’Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
- 21Nefa ny fanekeko haoriko amin’Isaka. izay haterak’i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
- 22Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin’i Abrahama.
- 23Koa dia nalain’i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin’izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.
- 24Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
- 25Ary efa telo ambin’ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
- 26Androtrizay indrindra no namorana an’i Abrahama sy Isimaela zanany;
- 27ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’izay novidim-bola tamin’ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.