Genesisy
Toko 26
- 1[Ny nivahinian’Isaka tany Gerara] Ary nisy mosary indray teo amin’ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’i Abimeleka mpanjakan’ny Filistina, tany Gerara.
- 2Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin’ny tany izay holazaiko aminao.
- 3Mivahinia eto amin’ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin’i Abrahama rainao;
- 4dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany;
- 5satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
- 6Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
- 7Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin’ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
- 8Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
- 9Ary Abimeleka dia niantso an’Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
- 10Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin’ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
- 11Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
- 12Dia namafy tamin’izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin’izay taona izay, satria efa notahin’i Jehovah izy.
- 13Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
- 14fa nanana fananana be izy, dia ondry aman’osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
- 15Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin’ny mpanompon-drainy fony fahavelon’i Abrahama rainy, dia efa novonoin’ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
- 16Ary hoy Abimeleka tamin’Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
- 17Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan’i Gerara ka nonina teo.
- 18Dia noloaran’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, fa efa novonoin’ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
- 19Dia nihady teo amin’ny lohasaha ny mpanompon’Isaka ka nahita loharano velona teo.
- 20Ary niady tamin’ny mpiandry ombin’Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran’ny lavaka fantsakana dia nataon’Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
- 21Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
- 22Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen’i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin’ny tany.
- 23[Ny nifindran’Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin’i Abimeleka] Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
- 24Ary Jehovah niseho taminy tamin’iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.
- 25Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran’i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’Isaka.
- 26Ary Abimeleka mbamin’i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin’ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin’Isaka.
- 27Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
- 28Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
- 29fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin’i Jehovah.
- 30Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
- 31Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin’Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
- 32Ary tamin’izany andro izany dia avy ny mpanompon’Isaka ka nanambara taminy ny amin’ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
- 33Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
- 34[Ny nampakaran’i Esao vehivavy Kananita ho vadiny] Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin’i Elona Hetita, izy.
- 35Dia nangidy tamin’ny fanahin’Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.