Genesisy
Toko 37
- 1[Ny nankahalan’ny rahalahin’i Josefa azy, sy ny nivarotany azy ho andevo] Ary Jakoba nonina tany amin’ny tany fivahinian’ny rainy, dia tany amin’ny tany Kanana.
- 2Ary izao no tantaran’i Jakoba: Rehefa fito ambin’ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
- 3Ary tian’Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
- 4Ary nony hitan’ny rahalahiny fa Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
- 5Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
- 6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
- 7Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ny amboarako.
- 8Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
- 9Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.
- 10Ary nambarany tamin’ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?
- 11Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
- 12Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin’ny rainy tany Sekema.
- 13Ary hoy Isiraely tamin’i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
- 14Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
- 15Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
- 16Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
- 17Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
- 18Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
- 19Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
- 20Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin’ny anankiray amin’ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin’ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin’izany na hanao ahoana ny nofiny.
- 21Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin’ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
- 22Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin’io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin’ny tanan’ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ny rainy indray.
- 23Ary rehefa tonga teo amin’ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
- 24dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin’izay, fa tsy nisy rano tao.
- 25Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
- 26Ary hoy Joda tamin’ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
- 27Andeha hamidintsika amin’ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
- 28Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin’ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin’ny Isimaelita; ary dia nitondra an’i Josefa ho any Egypta ireo.
- 29Dia niverina nankeo amin’ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
- 30Dia niverina nankeo amin’ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
- 31Ary nalain’ireo rahalahiny ilay akanjon’i Josefa, dia namono zanak’osy izy, ka natsobony tamin’ny rà ny akanjo.
- 32Dia nampanateriny ho any amin’ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon’ny zanakao ity, na tsia?
- 33Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon’ny zanako io: efa lanin’ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
- 34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
- 35Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.
- 36Ary ny Midianita nivarotra an’i Josefa tany Egypta tamin’i Potifara, tandapan’i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.