Genesisy
Toko 4
- 1[Ny amin’i Kaina sy Abela] Ary Adama nahalala an’i Eva vadiny; dia nanan’anaka Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho.
- 2Ary niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
- 3Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran’i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an’i Jehovah;
- 4fa nitondran’i Abela kosa ny voalohan-terak’ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny;
- 5fa Kaina mbamin’ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
- 6Ary hoy Jehovah tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
- 7Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy.
- 8Ary Kaina niteny tamin’i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’i Abela rahalahiny, ka namono azy.
- 9Ary hoy Jehovah tamin’i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
- 10Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany.
- 11Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
- 12Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.
- 13Dia hoy Kaina tamin’i Jehovah: Lehibe ny valin’ny heloko mihoatra noho izay zakako.
- 14Indro, efa noroahinao hiala amin’ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
- 15Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
- 16Ary Kaina dia niala teo anatrehan’i Jehovah ka nonina tao amin’ny tany Noda tandrifin’i Edena.
- 17[Ny taranak’i Kaina, sy ny nahaterahan’i Seta] Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka an’i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran’ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zananilahy.
- 18Ary Enoka niteraka an’Irada; ary Irada niteraka an’i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an’i Metosaela; ary Metosaela niteraka an’i Lameka.
- 19Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran’ny anankiray Ada, ary ny anaran’ny anankiray Zila.
- 20Ary Ada niteraka an’i Jabala; izy no rain’ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman’ondry.
- 21Ary ny anaran’ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra.
- 22Ary Zila kosa niteraka an’i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin’i Tobala-kaina dia Nama.
- 23Ary hoy Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila รด, mihainoa ny feoko; Ry vadin’i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako.
- 24Raha valiana fito heny izay mamono an’i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an’i Lameka.
- 25Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy.
- 26Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.