Genesisy
Toko 44
- 1[Ny nampahafantaran’i Josefa ny rahalahiny fa izy no Josefa, sy ny nanirahany haka ny rainy] Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan’ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan’ny lasakany avy ny volan’ny isan-dahy;
- 2ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan’ny lasakan’ilay faralahy mbamin’ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain’i Josefa.
- 3Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
- 4Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
- 5Tsy iny va no fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
- 6Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
- 7Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
- 8Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin’ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin’ny tranon’ny tomponao?
- 9Izay anankiray amin’ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon’itompokolahy.
- 10Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
- 11Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin’ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
- 12Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin’ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin’ny faralahy no niafarany, ka tao amin’ny lasakan’i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
- 13Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin’ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
- 14Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ny tany teo anatrehany.
- 15Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
- 16Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
- 17Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin’ny rainareo.
- 18Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’i Farao ianao.
- 19Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
- 20Ary hoy izahay tamin’itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ny rainy izy.
- 21Ary ianao nanao tamin’ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.
- 22Ary hoy izahay tamin’itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
- 23Ary hoy ianao tamin’ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
- 24Ary rehefa tafakatra tany amin’ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin’itompokolahy.
- 25Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
- 26Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
- 27Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
- 28fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
- 29ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin’ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
- 30Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’ny zaza),
- 31koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ny mpanomponao rainay ho any amin’ny fiainan-tsi-hita amin’alahelo.
- 32Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin’ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin’ny raiko amin’ny andro rehetra hiainako aho.
- 33Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny.
- 34Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.