Genesisy
Toko 12
- 1[Ny niantsoan’Andriamanitra an’i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao;
- 2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
- 3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
- 4Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
- 5Ary Abrama nitondra an’i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ny tany Kanana izy.
- 6Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
- 7Ary Jehovah niseho tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’i Jehovah Izay niseho taminy.
- 8Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’i Jehovah izy ka niantso ny anaran’i Jehovah.
- 9Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ny tany atsimo.
- 10Ary nisy mosary teo amin’ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ny tany.
- 11Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
- 12ka, raha hitan’ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
- 13Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
- 14Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
- 15Ary nahita azy ny tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia nentina tao an-tranon’i Farao izy.
- 16Ary Abrama nasian’i Farao soa noho ny amin’i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
- 17Dia nasian’i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.
- 18Ary Farao dia nampaka an’i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
- 19Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
- 20Dia nomen’i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra ireo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.