Genesisy
Toko 19
- 1[Ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora, sy ny namonjeny an’i Lota] Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin’i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin’ny tany.
- 2Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin’izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
- 3Ary rehefa noteren’i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
- 4Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
- 5dia niantso an’i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
- 6Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
- 7ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
- 8Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin’ny tafon-tranoko izy.
- 9Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an’i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
- 10Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an’i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
- 11Dia nampanjambena ny mason’ny lehilahy izay teo am-baravaran’ny trano izy hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
- 12Ary hoy izy roa lahy tamin’i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin’ity tanàna ity;
- 13fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan’i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
- 14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala amin’ity tanàna ity; fa horavan’i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
- 15Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an’i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
- 16Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan’izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon’i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan’ny tanàna.
- 17Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin’ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
- 18Ary hoy Lota taminy: Aza an’izany, Tompo ô!
- 19indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
- 20indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
- 21Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin’izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
- 22Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Zoara.
- 23Ary ny masoandro efa niposaka tamin’ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
- 24Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra,
- 25ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ny tany.
- 26Fa ny vadin’i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
- 27Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin’ilay efa nijanonany teo anatrehan’i Jehovah;
- 28ary nitsinjo an’i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
- 29Ary raha noravan’Andriamanitra ny tanàna tany amin’ny tany lemaka, dia nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an’i Lota hiala teo afovoan’ny horavana, tamin’ny nandravany ny tanàna izay nonenan’i Lota.
- 30[Ny niandohan’ny firenen’i Moaba Sy Amona] Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
- 31Ary hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ny tany rehetra;
- 32andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ny raintsika.
- 33Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
- 34Ary nony ampitson’iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin’ny raintsika.
- 35Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin’iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
- 36Dia samy nanan’anaka tamin-drainao ny zanak’i Lota roa vavy.
- 37Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ny Moabita mandraka androany.
- 38Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain’ny taranak’i Amona mandraka androany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.