Genesisy
Toko 43
- 1[Ny nandehanan’ny zanak’i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan’i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary teo amin’ny tany.
- 2AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
- 3Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
- 4Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
- 5fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
- 6Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
- 7Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
- 8Ary hoy Joda tamin’Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
- 9Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho;
- 10fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
- 11Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin’ny tany ka ataovy ao anatin’ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
- 12ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
- 13Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
- 14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
- 15Dia nentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin’i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan’i Josefa.
- 16Ary Josefa, raha nahita an’i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
- 17Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian’i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo.
- 18Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
- 19Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon’i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:
- 20Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
- 21ary rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
- 22Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin’ny lasakanay.
- 23Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy.
- 24Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
- 25Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin’i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
- 26Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.
- 27Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
- 28Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
- 29Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanakalahin’ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
- 30Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
- 31Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
- 32Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, ary mitokana ny ho an’ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an’ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin’ny Hebreo, fa fahavetavetana amin’ny Egyptiana izany.
- 33Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
- 34Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin’i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.