Genesisy
Toko 10
- 1[Ny taranak’izy telo lahy zanak’i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin’i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ny safo-drano.
- 2Ny zanakalahin’i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
- 3Ary ny zanakalahin’i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
- 4Ary ny zanakalahin’i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
- 5Avy tamin’ireo no niavakavahan’ny nosin’ny firenena tany amin’ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ny fireneny avy.
- 6Ary ny zanakalahin’i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
- 7Ary ny zanakalahin’i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’i Ragama dia Seba sy Dedana.
- 8Ary Kosy niteraka an’i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ny tany.
- 9Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’i Jehovah, ka izany no nanaovan’ny olona hoe: Tahaka an’i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’i Jehovah.
- 10Ary ny niandohan’ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ny tany Sinara.
- 11Ary nivoaka avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobot-ira sy Kala
- 12ary Resena teo anelanelan’i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
- 13Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
- 14sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian’ny Filistina ary ny Kaftorita.
- 15Ary Kanana niteraka an’i Sidona lahimatoany sy Heta,
- 16ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
- 17sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
- 18sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ny Kananita.
- 19Ary ny fari-tanin’ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
- 20Ireo no zanak’i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ny taniny, amin’ny fireneny.
- 21Dia niteraka koa Sema, rain’ny zanak’i Ebera rehetra rahalahin’i Jafeta, izay zokiny.
- 22Ny zanakalahin’i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
- 23Ary ny zanakalahin’i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
- 24Ary Arpaksada niteraka an’i Sela; ary Sela niteraka an’i Ebera.
- 25Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ny rahalahiny.
- 26Ary Joktana niteraka an’i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
- 27sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
- 28sy Obala sy Abimaela sy Sheba
- 29sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana.
- 30Ary ny fonenan’ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
- 31Ireo no zanak’i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ny taniny, araka ny fireneny.
- 32Ireo no mpianakavin’ny zanak’i Noa, araka ny taranany, amin’ny fireneny; ary avy tamin’ireo no niavakavahan’ny firenena tambonin’ny tany taorian’ny safo-drano.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.