Genesisy
Toko 20
- 1[Ny nivahinian’i Abrahama tao Gerara] Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin’ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
- 2Ary hoy ny filazan’i Abrahama an’i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan’i Gerara, nampaka an’i Saraha.
- 3Fa Andriamanitra nankeo amin’i Abimeleka, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’olona izy.
- 4Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo รด, hovonoinao koa va izay firenena marina?
- 5Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin’ny fahatsoran’ny foko sy ny fahadiovan’ny tanako no nanaovako izany.
- 6Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ny fahatsoran’ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
- 7Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra mety ho anao.
- 8Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
- 9Ary Abimeleka dia nampaka an’i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
- 10Ary hoy koa Abimeleka tamin’i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
- 11Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra tokoa amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho noho ny amin’ny vadiko.
- 12Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ny raiko, fa tsy mba zanakavavin’ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
- 13Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ny tranon’ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
- 14Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an’i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
- 15Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin’izay tianao.
- 16Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin’izany rehetra izany.
- 17Ary Abrahama dia nifona tamin’Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an’i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
- 18Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.