Genesisy
Toko 11
- 1[Ny nanaovan’ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan’Andriamanitra ny fitenin’ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
- 2Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ny tany Sinara izy ka nonina teo.
- 3Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
- 4Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ny tany rehetra isika.
- 5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ny zanak’olombelona.
- 6Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
- 7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
- 8Dia tao no nampielezan’i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
- 9Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra.
- 10[Ny taranak’i Sema mandraka mby amin’i Tera, rain’i Abrama] Izao no taranak’i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’i Arpaksada izy roa taona taorian’ny safo-drano.
- 11Ary ny andro niainan’i Sema taorian’ny niterahany an’i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 12Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan’i Arpaksada, dia niteraka an’i Sela izy.
- 13Ary ny andro niainan’i Arpaksada taorian’ny niterahany an’i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 14Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’i Sela, dia niteraka an’i Ebera izy.
- 15Ary ny andro niainan’i Sela taorian’ny niterahany an’i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 16Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan’i Ebera, dia niteraka an’i Palega izy.
- 17Ary ny andro niainan’i Ebera taorian’ny niterahany an’i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 18Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
- 19Ary ny andro niainan’i Palega taorian’ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 20Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’i Seroga izy.
- 21Ary ny andro niainan-dReo taorian’ny niterahany an’i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 22Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’i Seroga, dia niteraka an’i Nahora izy,
- 23Ary ny andro niainan’i Seroga taorian’ny niterahany an’i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 24Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan’i Nahora, dia niteraka an’i Tera izy.
- 25Ary ny andro niainan’i Nahora taorian’ny niterahany an’i Tera dia sivy ambin’ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 26Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’i Tera, dia niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
- 27[Ny taranak’i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak’i Tera: Tera niteraka an’i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an’i Lota.
- 28Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’i Tera rainy tany amin’ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ny Kaldeana.
- 29Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska.
- 30Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
- 31Ary Tera nitondra an’i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
- 32Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’i Tera; dia maty tao Harana izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.