Genesisy
Toko 40
- 1[Ny nilazan’i Josefa ny nofin’izy roa lahy tandapan’i Farao] Ary taorian’izany ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ny mpanjakan’i Egypta tompony.
- 2Ary tezitra indrindra tamin’ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo.
- 3Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ny trano-maizina izay nifatoran’i Josefa.
- 4Ary Josefa notendren’ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny trano-maizina izy roa lahy.
- 5Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Egypta, izay nifatotra tao amin’ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
- 6Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
- 7Dia nanontanian’i Josefa ny tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
- 8Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
- 9Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
- 10ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
- 11Ary teny an-tanako ny kapoakan’i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tànan’i Farao ny Kapoaka.
- 12Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
- 13Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin’ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
- 14Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho, ka avoahy amin’ity trano ity;
- 15fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ity lavaka ity aho,.
- 16Ary rehefa hitan’ny lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin’i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
- 17ary teo anatin’ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan’i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon’ny mpanao mofo; ary nohanin’ny vorona teo anatin’ny karaba izay nololohaviko izany.
- 18Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
- 19Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ny hazo ianao) dia hohanin’ny vorona ny nofonao.
- 20Ary tamin’ny andro fahatelo, izay niherenan’ny taona nahaterahan’i Farao, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony.
- 21Ary ny lehiben’ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’i Farao izy;
- 22fa ny lehiben’ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain’i Josefa tamin’izy roa lahy avy.
- 23Kanjo tsy mba nahatsiaro an’i Josefa ilay lehiben’ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.