Genesisy
Toko 48
- 1[Ny tso-drano nataon’i Jakoba tamin’i Manase sy Efraima, zanakalahin’i Josefa] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
- 2Ary nisy nilaza tamin’i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ny farafara.
- 3Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
- 4Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
- 5Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’i Robena sy Simeona.
- 6Fa ny zanakao izay haterakao aorian’izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ny rahalahiny eo amin’ny zara-taniny.
- 7Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
- 8Ary rehefa hitan’Isiraely ny zanak’i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
- 9Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
- 10Ary efa pahina ny mason’Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
- 11Dia hoy Isiraely tamin’i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
- 12Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ny lohalik’Isiraely, dia niankohoka tamin’ny tany izy.
- 13Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ny ankavanany ho eo amin’ny ankavian’Isiraely, ary Manase tamin’ny ankaviany ho eo amin’ny ankavanan’Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
- 14Dia nahinjitr’Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ny lohan’i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ny lohan’i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
- 15Dia nitso-drano an’i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
- 16ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ny tany anie izy.
- 17Ary rehefa hitan’i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ny lohan’i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ny rainy, mba hampiala azy amin’ny lohan’i Efraima ho amin’ny lohan’i Manase,
- 18ka hoy Josefa tamin’ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ny lohany ny tananao ankavanana.
- 19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
- 20Dia nitso-drano azy tamin’izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ny Isiraely rano hoe: Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy tahaka an’i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’i Manase.
- 21Ary hoy Isiraely tamin’i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ny tanindrazanareo.
- 22Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ny Amorita.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.